4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Isaorako anao - Henri ratsimbazafy

Ny mafy niaraha-nandresy,
ny ratsy sy soa nifanesy,
ny andro nifalifaliana,
ny ora nitositosiana
ny fiainana izay nitambarana,
ny harena izay nisasarana,
ny ankizy niaraha-nikolo,
bilangina donga daholo,


            Ny toky nomenao ahy
            kanefa tsy notanterahana,
            niova nanjary ahiahy,
            nitondra tsy fifanarahana,
            Ireo laingalainga madinika,
            Ireo teny tsy voadinika
            Irony familafilana
            Arahana latsa mazàna,

Ref. :
Isaorako anao
ireny rehetra ireny
sy ny hafa tsy voateny
Isaorako anao.

Partager isaorako anao

Commenter isaorako anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite